
Noraisin’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, teto amin’ny biraony Ampandrianomby any 14 Marsa 2024, ny Masoivohon’ny Repoblikan’i Korea, Rtoa Ji-hyun PARK. Lahadinika nandritra ny fihaonan’ny roa tonta, ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny angovo eto Madagasikara. Anisan’ny tohanan-dry zareo Koreana, amin’ny alalan’ny Korean EXIM Bank, ny Tetikasa PRIRTEM 1, ny orinasa AMBATOVY.