Angovo azo avaozina eto Mangily
Mihazakazaka ny asa firosoana amin’ny fampiasana angovo azo avaozina eto Madagasikara .
Nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro ao Mangily , androany 12 Marsa 2024 ny Tale iraisam-paritry ny Angovo sy Akoranafo (DIEH) ao Toliara Atoa MILLY Martial sy ny Delegasiona avy amin’ny Vondrona Eropeana .
Araky ny nambaran’izy ireo dia tsy hijanona eto Mangily ihany, fa hihitatra amin’ny Kaominina Ambanivohitra maro eto amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ny fampisitrahana herinaratra izay vatsian’izy ireo vola .
Marihana fa ny orinasa ANKA no miandraikitra ny fanatanterahana ny asa fananganana ity tobim-pamokarana herinaratra ity .