Angovo azo avaozina :
Mandroso ny tetikasa Ranomafana
▶️ Tetikasa anisan’ny goavana amin’ny angovo azo avaozina, ny ao Ranomafana, izay hanana tanjaka 64 MW. Tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano, no hatsangana, miaraka amin’ny « Sinohydro ». Nisy ny fidinana teny an-toerana, androany 9 Avrily 2024.
✅ Anaty fikarakarana ny fiarovana ny tany (sécurisation foncière) ankehitriny ireo tompon’andraikitra. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ireo Ben’ny Tanàna voakasiky ny tetikasa, dia notolorana jiro « cobra » roa avy ny ao amin’ny Kaominina Ambohitromby sy Antotohazo.
❇️Tsiahivina fa Faritra roa, dia Analamanga sy Itasy, no hidiran’ny tetikasa, ary Distrika 3: dia Fenoarivobe, Ankazobe sy Ambohidratrimo. 4 kosa ireo Kaominina, dia Ambohitromby, Antotohazo, Mahitsy, ary Marotampona.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *