Mandroso ny « Branchement Mora » eto Fianarantsoa

Miroso hatrany ny fampisitrahana herinaratra amin’ny alalan’ny Tetikasa « Branchement Mora » eto amin’ny Faritra Matsiatra Ambony .

Araka ny tatitra avy amin’ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) Fianarantsoa, dia Kaontera miisa 140 no voapetraka nanomboka ny 27 Septambra 2024 hatramin’ny androany 4 Oktobra 2024. Mitsinjara toa izao avy izany :

Fokontany Ankofafa Ambony : 95

Fokontany Ankofafa Ambany : 45

Raha atotaly dia kaontera 625 no efa voapetaka amin’ireo tokantrano izay nisoratra anarana teny amin’ny Fokontany ka nahaloa ny sarany .

Marihina fa ao anatin’ny iray volana sy tapany no ezahina hanatrarana ny fametrahana ny kaontera andiany manaraka. 20 % ankehitriny ny tahan’ny fandrosoan’ny asa.