Famokarana herinaratra RIA
Mandroso ny asa fananganana ny 105MW
✳️ Hampiana ny famokarana herinaratra eto amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA). Nijery ny fandroson’ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny solika (HFO) etsy Ambohimanambola, ny 11 Oktobra 2024, ny Delegasiona notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier. Hanana tanjaka 105MW ity fotodrafitrasa ity, ary ho an’ny orinasa JIRAMA.
➡️ Ankilany, dia nitondra fanazavana momba ny drafi-panorenana ireo Teknisianina misahana ny asa. Anisany ny toerana hisy ireo milina mpihary herinaratra sy ireo fitaovana miaraka aminy, ny toeram-pibaikoana teknika, ny tobim-pitehirizana solika sy ny fiantsonan’ireo fiarabe mpitatitra, ary ireo birao isan-karazany.🟧 Mahazaka 2500 m3 ny toeram-pitehirizana solika eto.
✴️ Anisan’ny nandray anjara tamin’ ny fidinana ifotony ny Solontena avy amin’ny MPC sy ny JIRAMA, ary ny Teknisianina avy amin’ny MMI sy ny TRIGU Energy. 📍 Tanjona ny hahavitan’ny asa alohan’ny vanim-potoanan’ny main-tany 2025.
▶️ Mialoha ny fampiakarana eto Antananarivo ireo milina goavana (milanja 70 Taonina ny motera iray), dia hisy ny fandrindrana sy lamina teknika hiarahan’ny MEH, sy ny Ministeran’ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetry ny Andro (MTM), ary ny Ministeran’ny Asa Vaventy (MTP).

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *