Angovo azo avaozina:
Manampy ny ezaka atao eto Madagasikara i Indonezia
▶️Firosoana lalina amin’ny fampiasana angovo azo avaozina no tanjona. Anisany, ny avy amin’ny riandrano. Manana traikefa goavana momba izany ry zareo Indoneziana. Vonona izy ireo ny hiara-hiasa amintsika.
✅Fanampiana amin’ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny riandrano (micro-centrale hydroélectrique), no anisan’ny votoantin-dresaka nandritra ny dinika teto Ampandrianomby. Eo ihany koa ny lafiny fampiofanana sy ny fifanakalozana. Nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra eto anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (MEH) ny 28 Novambra 2023, ny Delegasiona avy amin’ny Ministera misahana ny Raharaha an-dranomasina sy ny Famatsiam-bola any Indonezia.
⭐Nivoitra nandritra ny dinika fa misy ny fitovizan’ny toe-tany eto Madagasikara sy any Indonezia, tombony izany amin’ny maha samy Nosy antsika. Tapaka fa hamafisina ny fiaraha-miasa momba ny sehatry ny angovo eo amin’ny firenena 2 tonta.
📸Sary : Ny Sekretera Jeneralin’ny MEH Atoa Thierry ANDRIANTSOA miaraka amin’Atoa DGEH, Rtoa DAER, Atoa Coordonnateur UCPE, Atoa Talen’ny ADER, sy Atoa Hetyus KOMAR (Policy Analyst) ary Atoa Wismoyo Tri RATNO (Security Analyst) avy amin’ny Ministera misahana ny Raharaha an-dranomasina sy ny Famatsiam-bola any Indonezia.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *