Angovo ho an’ny daholobe :

Manamafy ny fanohanany ireo mpiara-miombon’antoka

Andry iankinan’ny fampandrosoana sy ny fiainam-bahoaka tokoa ny angovo. Nifamotoana tao amin’ny « Hotel Au Bois Vert » Ambodirano Ivato androany 24 Oktobra 2024, ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo sy ireo ratsamangaikany, niarahana tamin’ireo mpiaramiombon’antoka na « Partenaires Techniques et Financiers » (PTF) sy ny tompon’andraikitr’ireo tetikasa isan-karazany.

Niara-nanao jeritodika ireo ezaka efa vita sy ireo asa mbola miandry ary ireo fomba hanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE) momba ny resaka Angovo izay mifandraika amin’ny ODD7, angovo madio sy maharitra, maoderina amin’ny vidiny takatry ny besinimaro.

Nohamafisina hatrany ny maha zava-dehibe ny firosoana amin’ny fahandroana sakafo avy amin’ny angovo madio, mba hialàna amin’ny fahapotehan’ny ala (90 000ha isan-taona) , ny fahalotoan’ny rivotra iainana (75% ny entona maloto) ary mba hampihenana ny tahan’ny Malagasy maty (16000 isan-taona) noho ny fampiasana arina fandrehitra sy kitay (charbon de bois et bois de chauffe). Notaterina tao ny fivoarantsika amin’ny sehatry ny fahandroana sakafo amin’ny angovo madio, ny asa mbola miandry.

Noresahana koa ireo heverina ho sakana amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa momba ny angovo, ka nandrosoana vahaolana.

Vonona ny hifanome tanana amin’ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ireo mpamatsy vola amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa maro ho fampitomboana ny tahan’ny Malagasy misitraka herinaratra.

Nisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny MEH sy ny POWER AFRICA.

Nitarika ny fotoana ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, notronin’ny Sekretera Jeneraly Atoa ANDRIANTSOA Thierry, ny Tale Jeneraly Atoa RAMIANDRASOA Sambatra ary ireo Tale isan-tsokajiny. Nandray anjara sy nanome voninahitra ireo solontenan’ireo Tetikasa isan-karazany (CGHV, SEforALL, LEAD, GIZ PERER sns… ).