ampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra
Manamafy ny 3P ny ADER
Fifanakalozan-kevitra eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, na ny PEPP (Plateforme d’Echange Public Privé). Notanterahina ny 15 Novambra 2024, teto amin’ny Amphi Ampandrianomby ny andiany faha-11 amin’ny PEPP.
Laharam-pahamehana ho an’ny mpisehatra rehetra ny hampiroboroboana ny famatsiana herinaratra azo avy amin’ny angovo azo havaozina amin’ny tontolo ambanivohitra. Miombon-tsaina ny 2 tonta ny amin’ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, « Partenariat Public Privé » na 3 P.
Mafy orina ny 3 P, ary vonona ny MEH amin’ny alalan’ny ADER, hifanome tanana amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, hanatrarana ny tanjona iraisana dia ny hampiakarana ho 70% hatramin’ny taona 2030, ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra eto Madagasikara, araka ny vina napetraky ny Fitondram-panjakana.
Tonga maro teto ireo mpisehatra tsy miankina amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto Madagasikara : MAREA (Madagascar Renewable Energy Association), ny AOPEM (Association des Opérateurs Privés en Electrification de Madagascar), ANKA, Greenpower, Africa Green Tech, Welight, NANOE ary ny BETC Nanala.
Nisolo tena ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) Rtoa Landy ANDRIAMIALIZAFY, Chef du Service Financement Exterieur, ary Atoa RAKOTO Andriana Emilien ho an’ny Fitaleavana jeneraly misahana ny hetra (DGI).
Nitarika ny fihaonana, ny Tale Jeneralin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa RAMIANDRASOA Sambatra, notronin’ny solontenan’ny ADER, Atoa RAZAFINDRAKOTO Heritiana, « Directeur de la Planification et du Suivi-Evaluation ».