Volavolan-dalàna mifehy ny Tetikasa Angovo sy ny Tetikasa Ranomafana
Lany teo anivon’ny Antenimierandoholona
✅ Nankatoavina androany 1 Jolay 2024 nandritra ny fivoriambe azon’ny besinimaro natrehana teny anivon’ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosikely, ny Volavolan-dalàna mifehy tetikasa goavana roa eo amin’ny sehatry ny angovo eto Madagasikara : voalohany ny Tetikasa Angovo ary faharoa ny Tetikasa Ranomafana .
➡️ Tsiahivina fa ho an’ny tetikasa Angovo dia himasoana ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra amin’ny toerana miisa 130 ao anaty Faritra 4 (Androy, Anosy, Melaky ary Menabe), manampy ireo ny Distrikan’i Betioky Atsimo, Ampanihy ary Toliara II, ka tokantrano miisa 40.126 no hisitraka angovo amin’ny alalan’ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra madinika mandeha amin’ny masoandro (mini-réseaux solaires) miisa 112. Hisitraka herinaratra avy amin’ny tetikasa ihany koa ny sekoly sy ny toeram-pitsaboana miisa 400.
▶️ Etsy ankilany ny tetikasa Ranomafana izay fiaraha-miasan’ny Fanjakana Malagasy amin’ny Orinasa SINOHYDRO, dia miompana amin’ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny rano izay hanana tanjaka 64 MW ary hamokatra 311 GWh isan-taona ho an’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA).
❇️ Nanolotra ny volavolan-dalàna ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo izay notarihin’Atoa Minisitra JEAN-BAPTISTE Olivier . Marihina fa efa lany nandritra ny fivoriambe azon’ny besinimaro natrehana teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza ireto volavolan-dalàna roa ireto ny 28 Jona lasa teo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *