Angovo azo havaozina
Lany ny volavolan-dalàna momba ny sata mifehy ny IRENA
✅ Dingana goavana ho an’ny fampandrosoana ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara no vita. Tontosa ny 13 Novambra 2024 teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosikely, ny fandaniana ny volavolan-dalàna PL N° 013-2024 tamin’ny 13 Jona 2024, mankatoa ny sata mifehy ny IRENA na « Agence Internationale pour les Energies Renouvelables ».
🟩 Tsiahivina fa ny IRENA dia fikambanana niorina tao Bonn (Allemagne) ny taona 2009. Tarigetra ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny angovo azo havaozina. Firenena 168 no efa mpikambana, ary 13 no miandry hiditra, ka anisany i Madagasikara.
✳️ Tanjona ny hanohanana ireo firenena miroso amin’ny famokarana angovo madio, anisan’izany i Madagasikara. Tsy mpamatsy vola ny IRENA, fa manampy kosa amin’ny fitadiavana famatsiam-bola ireo tetikasa. Anisan’ny tarigetran’ny fikambanana ny manohana ireo tetikasan’ireo Firenena mpikambana amin’ny fikarohana sy fanentanana ny famatsiam-bola mifanaraka amin’izany.
▶️ Nolanian’ireo Loholona tonga nanatrika ny fotoam-pivoriana avy hatrany ny volavolan-dalàna mikasika ny sata mifehy ny IRENA ity. Vinan’ny Fitondram-panjakana ny fampandrosoana haingana ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fidirantsika ho mpikambana amin’ny IRENA izao.
❇️ Nitarika ny Delegasiona nanolotra ny volavolan-dalàna ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *