• Lalaon’ny Nosy 2023:
Vonona ireo mpanao « kick boxing » Malagasy
🥇Handraoka medaly volamena betsaka indrindra sy handrombaka ny laharana voalohany no tanjona. Vonona tanteraka ireo atleta Malagasy amin’ny taranja « kick boxing » hiatrika ny andiany faha-11 amin’ny Lalaon’ny Nosy 2023 hatao eto Madagasikara hanomboka ny volana Aogositra ho avy izao. Manatanteraka fampivondronana etsy amin’ny Castello Motel Anosizato nanomboka ny tapaky ny volana Jolay ity ireo mpiangaly « kick boxing » Malagasy. Haharitra hatramin’ny 22 Aogositra izany fampivondronana izany, hiomanan’ireo mpanao hiady mandrafitra ny ekipam-pirenena hiaro ny voninahitr’i Madagasikara mandritra izany Lalaon’ny Nosy izany.
➡️ Nitsidika an’ireo atletantsika amin’ny taranja « kick boxing » nandritra ny fanazaran-tena nataon’izy ireo teny Mahamasina, androany Sabotsy 29 Jolay 2023, ny delegasiona notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA, amin’ny maha mpiahy ny taranja « kick boxing » mandritra ny Lalaon’ny Nosy. Nanotrona ny tompon’andraikitra eo anivon’ny JIRAMA. Nanolotra fitaovana toy ny « gants de boxe », « protèges tibias », aro-loha. Nanome tosika ara-tsakafo sy ara-batana ary herijika moraly. Fanohanana sy famporisihina goavana no natao ho azy ireo, nampanantenaina koa fa ho aterina amin’ny herinandro ho avy io ireo akanjo (tenue de combat, survêtement, tenue de sport).
  • Ireo atletantsika amin’ny « kick boxing »
➡️ Miisa 26 izy ireo, ka 17 ny lehilahy ary 9 kosa ny vehivavy mizarazara amin’ny sokajin-danja 5 ho an’ny vehivavy manomboka amin’ny latsaky ny 48kg, ny latsaky ny 52kg, ny latsaky ny 56kg, ny latsaky ny 60kg ary ny latsaky ny 65kg, avy amin’ny Faritra maro Toliary, Manakara, Antsirabe, Fianarantsoa, Farafangana, Toamasina ary Antananarivo.
▶️ Sokajin-danja 9 kosa izany ho an’ny lehilahy : ahitana ny eo amin’ny latsaky ny 51kg, latsaky ny 54kg, latsaky ny 57kg, latsaky ny 60kg, latsaky ny 63,5kg, latsaky ny 67kg, latsaky ny 71kg, latsaky ny 75kg ary ny latsaky ny 81kg
⭐ Maro ireo kalaza toa an’i RAZANABAHOAKA Faratiana eo amin’ny vehivavy latsaky ny 60kg, tompondaka eran-tany “Junior” tamin’ny taona 2014, ary efa tompondakan’i Afrika ihany koa ny taona 2018. Ho an’ny lehilahy latsaky ny 51kg, ARISON Jean Fidel tompondakan’i Afrika ny taona 2018. MARIAMO Justin na i Lavakely tompondaka eran-tany “Junior” ny taona 2014 ary koa tompondakan’i Afrika ny taona 2018 eo amin’ny latsaky ny 57kg. VLADISCO Dico, tompondaka teo amin’ny fifaninanana WAKO PRO 2023 tatsy amin’ny Nosy Maorisy eo amin’ny latsaky ny 60Kg. RANDRIANJAFY Joël, tompondaka WAKO PRO 2023 Nosy Maorisy teo amin’ny latsaky ny 63.5kg. BIRINOD efa nandray anjara tamin’ny fifaninanana tany Chine ny taona 2019 sy tamin’ny WAKO PRO 2023 tao amin’ny Nosy Maorisy teo amin’ny latsaky ny 67Kg. RAZANAJATOVO Fazarali tompondaka eran-tany lefitra ny taona 2019 eo amin’ny latsaky ny 71Kg. Nicolas URBAIN tompondakan’i Afrika lefitra ny taona 2012 eo amin’ny latsaky ny 81kg.
✅ In-2 isan’andro ny fanazaran-tena ho an’ireto ekipam-pirenentsika ireto. Ny maraina ny resaka ara-batana, ny hariva ny teknika sy ara-moraly. Eny amin’ny RKC Ivandry, tohatohabato Tavao Ambohijatovo ary ny ambany Gradin Mahamasina no toerana fanaovana ny fanazaran-tena.
▶️ 5 ireo Nosy mandray anjara raha ny taranja Kick Boxing manokana ahitana ny Nosy La Réunion, Maorisy, Mayotte, Seychelles ary Madagasikara. Ny 29 Aogositra ka hatramin’ny 2 septembra ny fifaninanana ho azy ireo.
#JIOI2023
#MEH
🇲🇬« Fandresena anaty firaisan-kina sy fahasamihafana » 🇲🇬

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *