Kaominina Betsinjaka Toliara II :
Nahazo jiro « cobra » miisa 80
✅ Ho fanazavana ny tanàna, dia nahazo jiro « cobra » miisa 80 ny ao amin’ny Kaominina Betsinjaka Distrika Toliara II. Nanolotra izany ny 30 Desambra 2023 tamin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana ny Talen’ny Kabinetra Atoa Odon Marius RANDRIANAINA, nisolo tena an ‘Atoa Minisitry ny Angovo sy Akoranafo (MEH) .
➡️ Fanatontosana ny fanamby nataon’ Atoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara (Promesse Présidentielle ) nandritra ny fitokanana ilay tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (Centrale solaire) eto amin’ity Fokontany ity, dia ny fanazavana ny tanàna.
➡️ Nanome voninahitra ny fanombohana ofisialy amin’ny tetikasan’ny MEH « Hazavao ny elakelan-trano » ny Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana sy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrika Toliara II.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *