Kaominina Ambanivohitra Betsinjaka:
Nahazo jiro tao anatin’ny 7 andro
✅ Tontosa ny fampanantenana nataon’ Atoa Filoham-pirenena Malagasy tamin’ny vahoakan’ny Kaominina Ambanivohitra Betsinjaka, Distrikan’i Toliara II. Tonga any an-toerana ny hazavana ankehitriny. 7 andro no nahavitana ny asa.
▶️ Nandritra ny fitokanana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Betsinjaka, ny Sabotsy 19 Aogositra 2023, dia nangataka jiro hanazavana ny Fokontany manodidina ny Ben’ny Tanàna. Nanontany avy hatrany ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’Afo ny Filoha Atoa Andry RAJOELINA, hoe hafiriana no hahavitan’ny asa. 10 andro hoy ny Minisitra Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA. Niara-nisalahy avy hatrany ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy Akoran’ Afo (DIEH) ao Toliara sy ny tompon’andraikitry ny JIRAMA any an-toerana. Vita tao anatin’ny 7 andro ny fampisitrahana herinaratra hanazava ny tanàna ao Betsinjaka.
⭐ Haravoana ny an’ny vahoaka velom-pisaorana ny Fitondram-panjakana Malagasy, amin’ny fahatanterahan’ny Velirano faha-2 :  » Angovo ho an’ny daholobe ».
📸 Sary nampitaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *