Jirama :
Nahazo fitaovana hoenti-manatsara ny asa
⭐Tarigetra ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa sy fanatsarana ny asa. Notolorana « Moto » marika Suzuki 125 cc miisa 50 avy amin’ny « Matechmad » ary fiarabe marika Foton miisa 5 avy amin’ny « Ocean Trade » ny orinasa JIRAMA, androany 30 Novambra 2023 teny Antanetibe Ilafy. Ireto farany dia natao indrindra hitatitra ireo fitaovana lehibe toy ny andrin-jiro.
✅Ireo « moto » kosa dia hanafainganana ny fitondrana ireo teknisiana amin’ny fampidiran-jiro, sy ireo asa maika toy ny famerenana ny famatsiana jiro. Toromarika hentitra no nomen’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo (MEH) Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA ho an’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny JIRAMA, dia ny hikajiana sy hikolokoloana ireo fitaovana.
✳️Ny Banky Iraisam-pirenena (BM) no mamatsy vola amin’ny alalan’ny Tetikasa LEAD, ka nahazoana ireto fitaovana vaovao.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *