Fampandrosoana ny sehatry ny angovo :
Manohana ry zareo Japoney
✅Tanjona iraisana ny hampandrosoana ny sehatry ny angovo eto Madagasikara, ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy. Nivoitra io, taorian’ny fihaonana teto Ampandrianomby androany 16 Febroary 2024, teo amin’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo (MEH) Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, sy ny Masoivohon’i Japon misahana an’i Madagasikara sy ny Nosy Kaomoro, Atoa ABE Koji.
➡️ Manana ny traikefa goavana sy fitaratra tokoa ry zareo Japoney eo amin’ny lafiny fandrosoana amin’ny ankapobeny. Nampitain’Atoa Masoivoho ny fahavononan’ity firenena ity, hanampy an’i Madagasikara, amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny angovo eto amintsika. Anisany laharam-pahamehana ny angovo azo avaozina.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *