Angovo azo avaozina
Mandray anjara amin’ny Fivoriamben’ny IRENA i Madagasikara
✅ Mandray anjara amin’ny fivoriambe faha-14 ataon’ny IRENA (Agence Internationale pour les Energies Renouvelables) i Madagasikara. Fihaonana izay miompana amin’ny fampiroboroboana ny tetikasa angovo azo avaozina ho an’ireo mpikambana, tanterahina any Abu Dhabi, Émirats Arabes Unis, ny 16 Avrily hatramin’ny 18 Avrily 2024. Mpanara-maso no fanasana azon’i Madagasikara tamin’ity, ary efa mizotra ankehitriny ny fikarakarana ny fidirantsika ho mpikambana.
🤝🏻Nisy ny fihaonanan’ireo solontenantsika tamin’ny Atoa Kamelech DOOKAYA ,Tompon’andraikitry ny Fandaharan’asa Isam-paritra ho an’ireo firenena Afrikana amin’ny tapany atsimon’i Sahara, sy Atoa Francis DE JAEGER, Tompon’andraikitry ny Fandaharan’asa amin’ny Tsena Ara-bola ho an’ny Angovo azo Avaozina.
❇️ Tanjona lehibe indrindra ny hampiroborobo ny fahafahana mamatsy vola ireo tetikasa, sy hanamora ny firosoana amin’ny fampiasana angovo azo avaozina (transition énergétique) , ho an’ny firenena mpikambana amin’ny IRENA sy ireo mbola vao hiditra amin’ny fikambanana.
🔶 Nisolo tena ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, Rtoa DIEUDONNE Virginia Dalia Soatsara ( Directrice d’Appui à l’Electrification Rurale na DAER) , sy Atoa RASAMIMANANTSOA Olivier Rija (Directeur des Affaires Juridiques na DAJ).

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *