
Androany 21 Jona 2024, no anjaran’ny sehatry ny angovo. Tontosa teny amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy Fitantanam-bola (MEF) Antaninarenina, ny fivoriana niarahana tamin’ireo Iraka avy amin’ny Sekretaria « Vulnerable Twenty » (V20) eo anivon’ny « Climate Vulnerable Forum » (CVF). Fihaonana tamin’ny tompon’andraikitra eto anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) notarihin’ny Minisitra Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier.