Iraky ny Banky Iraisam-pirenena
Fihaonana teto Ampandrianomby
✅ Noraisin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, teto amin’ny biraony Ampandrianomby ny 16 Septambra 2024, ireo Iraky ny Banky Iraisam-pirenena. Lahadinika ny fijerena ny zotra hiarahana amin’ireo lafiny fanavaozana hoentina eo amin’ny sehatry ny angovo eto Madagasikara, sy ny momba ny famatsiam-bola an’ireo tetikasa lehibe.
▶ Anisan’ny goavana amin’ireto farany, ny famatsiana herinaratra amin’ireo toeram-pitsaboana CSB miisa 453 (tetikasa LEAD), ny fizaràna ireo fitaovana mamatsy herinaratra mandeha avy amin’ny masoandro (kits solaires) ao anaty tetikasa LEAD sy DECIM ary ny fanavaozana ny lalàna isan-karazany mikasika ny sehatry ny herinaratra sy ny tetikasa « Scaling Mini Grid » eo amin’ny famatsiana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra.
❇️ Mbola andro maromaro moa no hanatontosan’ireto vahiny ny Iraka eto Madagasikara. Nanotrona an’Atoa MEH nandritra ny fihaonana, ny Sekretera Jeneraly, Atoa ANDRIANTSOA Thierry.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *