Angovo azo havaozina
🌞 Tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro
🇲🇬 Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Alarobia 26 Febroary 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra , notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra , NTSAY Christian , Lehiben’ny Governemanta , sy ireo Minisitra isan-tokony .
▶️ Ho an’ny sehatry ny angovo :
✅️ Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoan’ireo dingana momba ny fananan-tany amin’ny tetikasa tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro 150 MW. ➡️ Ny 120 MW dia ho tsinjaraina eto Antananarivo ary efa miroso ankehitriny. Ny 30 MW kosa dia ho tsinjaraina ao Nosy Be , Antsiranana , Mahajanga , Toamasina ary Fianarantsoa.
❇️ Taorian’ny fidinana ifotony sy ny fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitra dia eo amin’ny FITIM , Fokontany Manjarisoa no hananganana ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro hanana tanjaka 3 MW ao Mahajanga . Ny ao Toamasina, izay hanana tanjaka 6 MW hatramin’ny 12 MW dia hatsangana ao Betainomby , Fokontany Ambokarivo (SPAT AVENIR) . Ny ao Fianarantsoa kosa dia mbola mitohy ny fanadihadiana. Ho an’ireo toerana efa voafaritra hananganana ny fotodrafitrasa dia hanomboka avy hatrany ny asa .

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *