
30.590.000 € ho an’ny tetikasa Angovo



#️⃣ Nanotrona ny fanaovan-tsonia ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA. Nambarany fa izao dia fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P), hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy, ary fanatanterahana ny Velirano faha-2 an’Atoa Filoham-pirenena Malagasy : « Angovo ho an’ny daholobe ».
