Angovo azo avaozina:
✔️ Herinaratra ho an’ny tokantrano 250 ao Marofarihy
#️⃣ Tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro no natolotra ny ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Marofarihy, Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinany, androany Alatsinainy 24 Jolay 2023. Tokantrano miisa 250 no misantatra ny fahazoana herinaratra izao any an-toerana.
▶️ Mombamomba ny tobim-pamokarana:
– Tanjaka na « Puissance PV » : 17,28 kWc
– Vatoaratra na « Parc batterie » : 68 kWh
– Milina mpanodina (Groupe Électrogène) : 22 KVA
– Ligne BT 1km
– Jiro manazava ny lalam-bahoaka na « éclairage public » miisa 11
▶️ Nanatrika ny fanolorana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Faritra sy ny solontenan’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoran’afo ary ny mpiara-miombon’antoka dia ny Orinasa « We Light ». Tanjona ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P), ho fampandrosoana ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy. Mahatratra 50 izao no Kaominina Ambanivohitra sy Fokontany efa misitraka herinaratra, amin’ny alalan’ity fiaraha-miasa ity, hiisa 100 izany mialoha ny faran’ny taona 2023 ary 170 amin’ny Volana Jona 2024.
➡️ Haravoana no andraisan’ny vahoaka ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Marofarihy ny hazavana. Naneho ny fankasitrahany, amin’ny fahatanterahan’ny Velirano faha-2 nataon’Atoa Filoham-pirenena Malagasy : « Angovo ho an’ny daholobe ».
📸 Sary: DIEH Fianarantsoa

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *