Tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro
20MW hanampy ny RIA
✅ Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Alarobia 13 Novambra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay CHRISTIAN, Lehiben’ny Governemanta ,sy ireo Minisitra isan-tokony.
❇️ Ho an’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo, araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika dia tsy maintsy hapetraka faran’izay haingana ireo ivon-toerana mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro manana tanjaka mitotaly 50 MW. Ny 20 MW dia natao hanampiana ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA) ary hapetraka eo Ambatomirahavavy, Ampangabe ary Ambohidrano ny fotodrafitrasa . Ho tsinjaraina 5 MW avy ireo Renivohi-paritany sy Nosy Be.
✳️ Efa eo andalam-pitaterana ankehitriny ireo fitaovana entina hananganana ireo fotodrafitrasa izay taterina avy any Toamasina mankany amin’ireo toerana izay hananganana ireo ivon-toerana hahafahana manomboka ny asa. Laharam-pahamehana ity tetikasa ity izay hanohana ny famokarana angovo no sady hampihena ny fiankinan-doha amin’ny famokarana angovo avy amin’ny solika.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *