Herinandro ho an’ny fahandroana sakafo amin’ny angovo madio
➡️ Goavana ny fanamby apetraky ny Fanjakana Malagasy ho fampandrosoana ny seha-pihariana amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto Madagasikara. Nitohy androany 11 Jolay 2024 ny atrikasa faha-4 teto amin’ny « Hôtel Panorama » Andrainarivo, miompana amin’ny fifampidinihana sy fanentanana ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana ny sehatra ara-tsakafo, izay nokarakarain’ny « Alliance VAKANA », ka lahadinika ny fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio.
✳️ Nitarika ny fotoana ny solontenan’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), niaraka tamin’ny solontenan’ny ONUDI, ary ny OPEC FUND.
🟫 Drafitra mazava no hapetraka eo amin’ny sehatry ny fahandroana sakafo amin’ny angovo madio (cuisson propre) ho fanatrarana ny ODD7.
🟢 Nisy araka izany ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny mpisehatra avy amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ary ireo mpamatsy vola, izay hitadivana fanohanaba ho an’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny fahandroana sakafo amin’ny angovo madio. Lahadinika nanatanterahana ny adihevitra ny fandraisan’anjaran’ireo mpisehatra 5 eo amin’io sehatra io dia ny:
ANKA (fahandroana elekitrika)
ARAFA SARL (biogaz)
MOCO GAZ Madagascar (distribution de gaz)
OBIO HAMY (Ethanol)
KARMA na Kaoperativa Arina Maitso
✅️ Nanamafy ny Tale misahana ny Fampiroboroboana ny Famokarana Angovo azo avy amin’ny Akora Biolojika (DPEBIO), Atoa FIDIARISON Kenny Marco Louis, fa ny fiaraha-mientan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P) no afaka hanatrarana ny tanjona.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *