HAZAVAO NY ELAKELANTRANO – SAMBAVA
Nitohy tany amin’ny faritra SAVA ny fidinana ifotony nataon’ny ministry ny angovo.
Ny 18 marsa 2023 dia nisy ny fiaonana sy fihainoana ny mponina teto amin’ny kaominina ambanivohitra Tsarabaria, 43 km miala ny distrikan’i Vohemar.
Nitohy tamin’ny fanomezana hazavana ho an’ny fokontany tao Antanifotsy, Distrika Sambava, araka ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana ao anatin’ny velirano faharoa « hazavana ho an’ny rehetra » ny harivan’ny 18 mars 2023 ihany.
Tanterahina isaky ny toerana tsidihina ity tetikasa ho an’ny vahoaka ity araka ny toromariky ny filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ka izao no fanombohana ny eto amin’ny faritra SAVA.
Jiro cobra miisa 75 no napetraka tamin’ny elakelantrano izay efa tsy nahita jiro an-taonany maro.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *