Tetik’asa « HAZAVAO NY ELAKELAN-TRANO »
Nitohy teto Fianarantsoa ny asa fampisitrahana havazana ho an’ny daholobe ho fanatanterahina ny velirano faharoa ny Filohan’ny Repoblika, iandreketan’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’Afo.
Ny fokontany Isaha sy Ambalapaiso no nanombohan’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo sy ireo mpiaramiasa aminy tamin’ny fomba ofisialy ny tetik’asa hazavao ny elakelan-trano sy ny fanazavana ny lalan-kely teto Fianarantsoa ny alakamisy 06 aprily 2023.
Jiro Cobra miisa 150 no napetaka manerana ireo fokontany hanjakan’ny haizina sy ny tsy fandriampahalemana raha toa ka misy ireo jiro 100 vao tonga. Misitraka jiro ho an’ny elakelan-trano hatrany amin’ny 250 ny teto Fianarantsoa noho izany amin’izao fanombohana izao.
Tsy mijanona hatreo fa fanombohana no natao fa ny asa mitohy hatrany mandrapazava ny elakelatran-trano rehetra, hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo nandritrin’ny fidinana ifotony.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *