Hazavao ny elakelan-trano :

Ravo ny mponina ao Andranomadio Toamasina

Anjara biriky entin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny fanazavana ny elakelan-trano sy ny lalam-be. Tsy diso anjara amin’izany ny Fokontany Andranomadio, parcelle 11/43, eto Toamasina ny 8 Marsa 2024.

Tonga nanolotra ny hazavana tao an-toerana, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Atoa JEAN-BATISTE Olivier, notronin’ny mpiara-miasa sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny, toy ny Ben’ny Tanànan’i Toamasina I Atoa RAKOTONIRINA Nantenaina Herilala.

Jiro « cobra » miisa 24 no voapetaka teto an-toerana. Rehefa mazava ny tanàna dia mihena ny tsy fandriam-pahalemana.