[REQ_ERR: OPERATION_TIMEDOUT] [KTrafficClient] Something is wrong. Enable debug mode to see the reason.
Hazavao ny elakelan-trano - Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures
Ministère de l'Énergie et des Hydrocarbures
Hazavao ny elakelan-trano
Vatomandry
« Hazavao ny elakelan-trano »
Haravoana ny eto Vatomandry
Fokontany Vohitsara Zanatanana St Augustin
Jiro miisa 29 no voapetaka androany 3 Martsa 2024 . Hiampy 21 ireo. Natolotra ny vahoaka avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH). Nisolo tena an’Atoa Minisitra, ny Talen’ny Kabinetra Atoa RANDRIANAINA Odon Marius.
Nanome voninahitra ny fotoana , ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Vatomandry , Atoa RAZAFINANDRASANA Roland, ny Lehiben’ny Distrikan’i Vatomandry, Atoa RANDRIANANDRASANA Liva Alain, ny Ben’ny Tanànan’i Vatomandry, Atoa RAZAFINDRAKOTO Thierry, Ny Lehiben’ny Fokontany Atoa TELO Patrice, ary ny Lehiben’ny ‘JIRAMA eto Vatomandry Atoa ANDRIANANTENAINA Henri.
Tsiahivina fa hisy ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (parc solaire) manana tanjaka 1,5 MWc , ao Ampasimazava, ho an’ny Distrikan’i Vatomandry.
Hazavana ho an’ny daholobe ao Mahanoro
Mahanoro
Fanolorana jiro « cobra » tao Mahanoro avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) ary ny Jirama, androany 2 Martsa 2024.
Tonga nanolotra izany tamin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona Atoa RABEMANANJARA Nicolas, notronon’ny Loholona voafidy amin’ny Faritanin’i Toamasina Atoa TANG Donat sy ny Loholona avy any amin’ny Faritanin’i Antsiranana Atoa SERAMILA Mino ary ny Talen’ny kabinetra MEH Atoa RANDRIANAINA Odon Marius nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra.