Tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro
Hazavana ho an’ny vahoakan’Ankililoaka sy Ambahikily
✅ Tontosa androany 11 Novambra 2024, ny fandraisana vonjimaika (réception technique) ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ ny masoandro teto amin’ ny Kaominina Ambanivohitra Ankililoaka, Distrikan’i Toliara II, izay manana tanjaka 579 KWc. Hitohy rahampitso Talata 12 Novambra 2024 izany ho an’ny Kaominina Ambanivohitra Ambahikily , izay hahitana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, manana tanjaka 463 KWc.
✳️ Izao dia porofon’ny fahombiazana eo amin’ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P). Fitaratra ihany koa, amin’ny firosoantsiaka eo amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina ary ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra.
❇️ Anisan’ireo tonga nanatrika ny fotoana ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) Toliara, Atoa MILLY Martial,ny Ben’ny Tanàna eto Ankililoaka , ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ANKA, ny solontenan’ny ADER, ary ny CR eo anivon’ny PIC eto Toliara.
💡Haravoana ny an’ny vahoaka eto amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ankililoaka sy Ambahikily, nahazo hazavana, efa nandrasana taona amaro. Marihina fa ny fitokanana no sisa hany dingana manaraka amin’ny fampandehanana amin’ny fomba ofisialy an’ireto tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ireto.
📸 Sary: DIEH Toliara

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *