HAZAVANA HO AN’NY DAHOLOBE ETO MANGILY.
Nahazo fotodrafitr’asa entina manatanteraka ny veliranon’ny Filoha Andry RAJOELINA, « Angovo ho an’ny rehetra » ny teto Mangily, kaomina ambanivohitr’i Belalanda, Faritra Atsimo-Andrefana. « CENTRALE HYBRIDE SOLAIRE PHOTOVOLTAIQUE » manana tanjaka 400KWc avy amin’ny masoandro, 350KVA avy amin’ny groupe électrogène ary 1344KWh avy amin’ny parc batterie solaire no sitrahan’ny mponina miisa 17 300.
Ny hariva dia nihaona tamin’ny vahoaka ny Ankiambe bas ny Minisitry ny Angovo sy ny Ankoranafo nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ilay tetik’asa « Hazavao ny elakelantrano ».
Nasiana jiro ny elakelantrano sy ny lalambe ho fanazavana ny tanàna.
Tsy mbola nisy tamin’ny fitondrana nifandimby teto nanolotra fotodrafitrasa toy izao ankehitriny izao hoy ireo vahoaka teny an-toerana naneho ny hafaliany. Nanotrona izao fihaonan’ny minisitra tamin’ny mponina izao ny loholona, ny lehiben’ny faritra Atsimo Andrefana, ny Ben’ny tanàna sy vahoaka marobe.
Aorian’i Mangily dia ny distrikan’i Toliara II, Anakao indray no halehan’ny delegasiona hanolotra ny « centrale hybride solaire photovoltaique » ho an’ity kaomina ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *