Hazavana ho an’ny daholobe
Fanolorana jiro ho an’Antsirabe
❇️ Notolorana jiro « Cobra » Antsirabe, avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH) androany 15 Febroary 2025. Nitarika ny Delegasiona avy amin’ny MEH, ny Talen’ny Kabinetra, Atoa RANDRIANAINA Odon Marius. Nandray izany Ben’ny Tanàna, Atoa RASAMIMANANA Honoré Gabriel.
▶️ Izao dia tafiditra anatin’ny ezaka fampisitrahana herinaratra ny Distrika rehetra manerana ny Nosy, ho fanatrarana ny tanjona fampitomboana avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030.
➡️ Taorian’ny fanolorana tao Toamasina sy Antananarivo dia anjaran’ Antsirabe indray izao no misitraka ny tetikasa fanazavana ny elakelantrano sy ny lalambe.
✴️ Fandraisana anjara lehibe amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny fahatongavan’ireto jiro ireto. Hitohy amin’ny toerana maro hafa ny fizaràna hazavana. Hianatsimo hihazo an’i Ambositra sy Ambohimahasoa, Fianarantsoa sy Sakaraha ary hipaka hatrany Toliara ny Alarobia izao.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *