Natomboka teto Toamasina, androany 31 Janoary, ny Tetikasa fampisitrahana hazavana ho an’ny rehetra, amin’ity taona 2025 ity.
Jiro « Cobra », natolotry ny iraka manokana avy amin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH) , Atoa Talen’ny Kabinetra, Odon Marius RANDRIANAINA , teto amin’ny biraon’ny Kaominina Toamasina .
Izao dia tafiditra anatin’ny ezaka fampisitrahana herinaratra ny Distrika rehetra eto Madagasikara ho fanatrarana ny tanjona fampitomboana avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030 .