Angovo ho an’ny daholobe
Hampisitraka herinaratra eny Fieferamanga
✅ Notanterahina androany 7 Oktobra 2024 teto Fieferamanga , Distrikan’Arivonimamo ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny toeram-ponenana (Journée Mondiale de l’Habitat). Nitarika izany ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-ponenana (SENVH). Nandray anjara mavitrika ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH). Nisolo tena ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) Antananarivo, Atoa RAKOTOARIJAONA Hasina.
📍 Marihina fa manana toerana 5 Ha voatokana eto ny MEH, ho fananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro. Tetikasa miara-dia amin’ny fanorenana ny tanàna vaovao eto Fieferamanga ao anatin’ny Tetikasa « Ankohonana Miarina ». Tsiahivina fa, ity toerana ity koa dia ahitana tariby mitondra herinaratra mahery vaika 35 KV mankany amin’ny « Sous Station Tana Sud ‘‘.
❇️ Nandritra ny hetsika androany dia nisy ny fizaràna fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro (kits solaires) ho an’ireo solontenan’ny vahoaka tonga teny an-toerana, niarahana tamin’ny ekipan’ny « Fihariana », notronin’ny DIEH Antananarivo.
📸 Sary : DIEH Antananarivo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *