Angovo azo havaozina
Hamafisina ny fiaraha-miasa amin’i Chine
Manohana tanteraka ny ezaky ny Governemanta Malagasy amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina ny Fanjakana Sinoa. Voaresaka nandritra ny fihaonana teto Ampandrianomby ny 5 Novambra 2024, ireo tetikasa hiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.
Anisany ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano hanana tanjaka 64 MW ao Ranomafana, ny tetikasa « Tana Medium Ring » izay miompana amin’ny fananganana « Sous stations » miisa 8 miaraka amin’ireo « pylône » milanja ny tambazotran-tariby mirefy 185 km, izay hitondra herinaratra mahery vaika 90 KiloVolt. Eo koa ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro sy ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano hafa sy goavana azo tanterahina.
Lahadinika ireo nandritra ny fitsidihana ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo , Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier , nataon’ny Masoivohon’i Chine miasa sy monina eto Madagasikara, Atoa Ji PING. Nivoitra fa hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Chine amin’ny sehatry ny angovo.
Izao dia manamarika fa misokatra amin’ny Firenena rehetra i Madagasikara ho fampiroboroboana ny angovo azo havaozina, izay mifandraika indrindra amin’ny fanatrarana ny fampitomboana avo roa heny ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra hatramin’ny taona 2030.