Fahandroana sakafo amin’ny angovo madio
Hamafisina ny fiaraha-miasa 3P
✴️ Nifarana ny 10 Jolay 2024 ny atrikasa mikasika ny fomba fahandroana sakafo avy amin’ny angovo madio (Cuisson propre) izay notanterahina nandritra ny hateloana teto amin’ny  » Le Pavé  » Antaninarenina .
✅️ Nivoitra nandritra ny famaranana ny atrikasa ny fampahafantarana ny fanadihadiana izay notontonsain’ny AIDES eo amin’ny sehatry ny fahandroana sakafo amin’ny angovo madio , ary ny fanolorana ireo vina mifanindran-dalana amin’ny fampandrosoana ny sehatra avy amin’ny SE4ALL, ny ONUDI ary ny MCCI, izay hiarahana amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) ary ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD).
➡️ Araky ny nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny MEH, Atoa ANDRIANTSOA Thierry, dia ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo mpamatsy vola, na ny 3P, no hanatrarana ny tanjona iombonana.
▶️ Hatolotra ato ho ato eo anivon’ny Filan-kevitry ny Governemanta ny antontan-taratasy mirakitra ireo fehin-kevitra izay voaangona nandritra ny atrikasa, ho fanohizana ny asa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *