
Nitarika ny fanombohana ofisialy androany teto Soarano, ny Minisitry misahana ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), Rtoa Stéphanie DELMOTTE, sy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier. Nanotrona ny Solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena miasa sy monina eto Madagasikara, Atoa Atou SECK, ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny « Fonds DECIM », Atoa Christian SCHATTEMANN, ary ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka isan-tokony.