Angovo azo havaozina :
Notokanana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro eto Ambatondrazaka
✅Zava-bita maro no notokanan’ny Fitondram-panjakana notarihin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Atoa Andry RAJOELINA androany 9 Septambra 2023 taty amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Anisan’izany ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro teto amin’ny Fokontany Antanambehivavy, Kaominina Ambanivohitra Ambohimandroso, Ambatondrazaka. Noho ny fahateren’ny fotoana, dia nisolo tena an’Atoa Filoha sy ny Governemanta nanao ny fitokanana, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA.
⭐Tombony lehibe ny fahavitan’ity tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro izay manana tanjaka 1,53 MW ity. Foto-drafitrasa afaka mamokatra herinaratra hatramin’ny 1 681 MWh isan-taona. Mamaha hatramin’ny 50% ny filàna eto Ambatondrazaka. Afaka mitsitsy amin’ny lafiny fandaniana solika hatramin’ny 2.463.750 L isan-taona na eo amin’ny 12.072.375.000 Ariary isan-taona. Tsy latsa-danja amin’izany koa ny fitsinjovana ny tontolo iainana satria dia 1.436.741 kg ny entona ratsy (gaz carbonique) voaaro tsy hiparitaka anatin’ny tontolo iainana.
▶️Ny fananganana ity fotodrafitrasa ity dia niarahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka ny “LOCAPRO”. Fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P).
🔆Andro iray lehibe nanamarika ny teto Ambatondrazaka sy ny Faritra Alaotra Mangoro, tantara tsy azo kosehina ho an’ny vahoaka Malagasy ihany koa. Fampanantenana natao ka tsy maintsy tanteraka, teny nifanomezana ka tontosa, araka ny Velirano faha-2 an’ny Filoham-pirenena Malagasy, Atoa Andry RAJOELINA: “Angovo ho an’ny daholobe”.
🙏🏽Hafaliana sy haravoana ny an’ny vahoaka, velom-pisaorana ny Filoha sy ny Fitondram-panjakana izy ireo tamin’ny fahazoana ity tobim-pamokarana herinatra mandeha avy amin’ny herin’ny masoandro ty.
➡️Fotodrafitrasa mitsinjo ary manasoa ny vahoaka, miantoka ny fampandrosoana ny Firenena, mampanjaka ny fandriampahalemana sy mampiroborobo ny fiharian’ny mponina. Tsy hisy Faritra, na Distrika, na Kaominina ho adino satria samy hahazo sy hisitraka herinaratra sahaza azy avokoa manerana an’i Madagasikara iray manontolo. Distrika 78 manerana ny Nosy izao no efa misy tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro tahaka izao eto Ambatondrazaka izao.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *