Angovo azo havaozina
Fananganana ny 3MWc eto Mahajanga
⚒️ Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 7 Marsa 2025 ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro, eto amin’ny FITIM Fokontany Manjarisoa Mahajanga. Nitarika ny lanonana ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Atoa Andry RAJOELINA, notronin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier sy ireo mpikambana maromaro ao amin’ny Governemanta, ary ireo olom-boafidy isan-tsokajiny.
✳️ Izao tetikasa izao dia anisan’ny miaro ny tontolo iainana amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro, no mampihena ny fandaniana amin’ny fividianana solika ho famokarana herinaratra, ka hahazoantsika tahirim-bola (économie) mitentina 5 313 092 000Ar isan-taona ho an’ny eto Mahajanga. Ity toby hapetraka ity dia hanana tanjaka 3MWc ary hanana vatoaratra hatramin’ny 2MWc. Araka izany dia hanatsara bebe kokoa ny famokarana herinaratra eto Mahajanga ity tetikasa ity satria hisahana ny 23% amin’ny filana eto an-toerana ny atoandro, ary 20% kosa ny alina.
❇️ Ezaka fanatanterahana ny Tetikasa 50 MW izay vola madiodion’ny Fanjakana Malagasy. Tarigetra ihany ko any fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina. Tanjona ny hampitombo avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara, hatramin’ny taona 2030. satria dia hatomboka amin’ny fomba ofisialy ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro, ho fanatanterahana ny Tetikasa #50MW. Tetikasa izay famatsiam-bola madiodio an’ny Fitondram-panjakana Malagasy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *