Fiovaovan’ny vidin-tsolika

Nihatra alina ny fanitsiana vaovao

Nihatra nanomboka ny alina teo , ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara hifanaraka amin’ny sandany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena .

Raha 5.700 Ar/l ny lasantsy teo aloha, dia nihena ho 5.500 Ar/l izany ankehitriny. Ny Gazoala raha 4.760 Ar/l teo aloha dia lasa 4.890Ar/l. Ny solika fandrehitra (pétrole) kosa dia lasa 2.630Ar/l raha 2.430Ar/l teo aloha.

Marihina fa fampiharana ny rafitra » Ajustement automatique des prix à la pompe » izao fiovaovan’ny vidin-tsolika izao. Tohin’ny efa natomboka ny 18 Janoary lasa teo .

Nanambara ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo fa mila mizatra izany fiovaovana izany isika eto Madagasikara, manaraka ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

Izao fepetra izao , dia tafiditra ihany koa amin’ny fanatontosana ny fiaraha-miasa amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (
#FMI) ao anatin’ireo fandaharan’asa fampandrosoana » Facilité Elargie de Crédit » (
#FEC) sy ny » Facilité pour la Résilience et la Durabilité » (
#FRD).

Nivoitra ireo nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, natao androany 5 Febroary 2025, teto amin’ny
#OMH Behoririka. Nitarika izany ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) , Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier . Nanotrona ny Talen’ny Akoranafo , Atoa RAZAFIMAMONJY Jinot sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny OMH.