![🇲🇬](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t30/1/16/1f1f2_1f1ec.png)
Nahazo fankatoavana nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra natao ny 2 Mey 2024 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana, ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana ho an’ireo fitaovana andiany faha-18 sy faha-19 izay hafarana momba ny Tetikasa 50MW. Tetikasa entina hananganana tobim-pamokarana herinatra avy amin’ny masoandro ho an’ny Distrika 47 eto Madagasikara iarahana amin’ny orinasa JIRAMA.