Fihaonan’ny FMMRJ tamin’ Atoa MEH :
Ny firaisan-kina no hery
#️⃣ Dinikasa fiarahana mikaroka vahaolana sy fifampizaràna traikefa. Tanjona iraisana ny hanatsarana ny tolotra sy hanome fahafaham-po ireo mpanjifa. Fihaonana natao teny amin’ny Birao Foiben’ny JIRAMA teny Ambohijatovo Ambony, androany Zoma 30 Jona 2023, teo amin’ireo solontenan’ny Fikambanan’ny Mpiasa Misotro Ronono ao amin’ny JIRAMA (FMMRJ), sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo (MEH) Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA.
➡️ Lahadinika maromaro no nifanakalozana hevitra. Samy naneho ny fahavononany ny roa tonta. Hifanome tanana ho fampandrosoana ny tontolon’ny Angovo indrindra amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ny maha olona. Tarigetran’ny Fikambanana ny hoe  » Firaisan-kinan’ny olom-pirenena tia ny JIRAMA ». Tamin’ny taona 1988 no niorenan’ny FMMRJ, izay manamarika ny faha-35 taona nisiany.
⭐ Tsapan’izy ireo ary tohanany ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana, dia ny firosoana amin’ny fampiasana angovo azo avaozina, izay anisan’ny vahaolana mahomby sy maharitra ho fanampiana ny JIRAMA hivoaka amin’izao fotoan-tsarotra lalovany izao. Vonona tanteraka ny FMMRJ ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny asa fanarenana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *