Mihazakazaka ny fanatanterahina ny velirano faharoan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina. Raha efa nisy ny fitsidihana ara-pomba ofisialy notanterahin’ny solotenan’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana na BAD ny Minisitrin’ny Angovo sy ny Akoran’afo ny 8 marsa lasa teo, nitohy tamin’ny dinik’asa kosa ny fihaonana ny talata 14 marsa 2023 izay niarahana tamin’ny delegasiona notarihin’i Ramatoa Leila MOKADDEM, tale jeneralin’ny BAD amin’ny faritra Afrikanina Atsinanana. Noresahina tamin’izany ny fampandehanana ireo tetikasa iarahan’ny Minisitera sy BAD toy ny tetik’asa SAHOFIKA sy ny tetik’asa PRIRTEM izay misahana ny fitanterana herinaratra natombok’izao fitondran’ny filoha Andry RAJOELINA izao ny taona 2020.
Tanjon’ny tetik’asa ireo dia ny :
• Fampitombon’ny famatsiana herinaratra manerana ny Nosy indrindra amin’ny toerana lalovan’ny tetik’asa
• Fampifandraisana ny famokarana angovo indrindra eo amin’ny tobim-pamokarana Sahofika izay hamatsy herinaratra hatramin’ny 192MW
• Fampitomboana ny famokarana ny angovo azo avaozina hiarovana ny tontolo iainana.
• Famoronan’ asa sy fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ny mpiasan’ny JIRAMA sy izay sehatra miasa amin’ny herinaratra
Voaresaka ihany koa fa hafainganina ny fanatanterahina ny tetik’asa ary hatsaraina ireo pitsopitsony mety hiteraka sakana amin’ny fanatanterahina ny tetik’asa .
Manamarika ny fahavononana hanafaingana ny asa sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana Malagasy sy ny BAD izao fifanantonana matetika izao.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *