MEH – Fihaonana tamin’ny Ratsamangaika eto Toliara
Isan’ireo delegasiona miara-dia amin’ny Filoham-pirenena mijery ireo mpiray tanindrazana tratry ny rivodoza Freddy eto Toliara, Faritra Atsimo Andrefana, mandritra ity faran’ny herinandro ity ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo Solo ANDRIAMANAMPISOA.
Nandritr’izany no nahafahany nihaona sy nidinik’asa tamin’ireo rantsamangaikan’ny Minisitera ho fametrahana paikady sy ny fijerena akaiky ny fiantraikan’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy taty amin’ny faritra Atsimo Andrefana tamin’ireo fotodrafitrasa misahana ny angovo sy ny akoranafo sahanin’ny minisitera sy indrindra ny ahafahana mandray ny fepetra rehetra aingana.
Tapaka nandritran’ity dinikasa ity ihany koa fa hotokanana ny 23-24 marsa 2023 izao ny « Centrale Solaire » ao Anakao sy ity ao Mangily ity. Mandritra io fotoana (23 – 24 marsa 2023) io no hanatanterahana ny fanombohana ny tetikasa « hazavao ny elakelatrano » eto Toliara. Elakelatrano mirefy 10 km no hisitraka izany ka ho laharam-pahamehana ny fametrahana havazana eny amin’ireo faritra mena tena hanjakan’ny tsy fandriam-pahalemana. Ny tanjona dia ny hisitran’ny rehetra hazavana araka ny velirano faharoa an’ny Filoha Andry RAJOELINA.
Nijery ny « Centrale Thermique » eny Andranomena ihany koa ny Ministra ny tolakandro. Taorian’ny fitsidihana ny toby famokarana herinaratra eto Toliara dia nanambara fa ampy tsara ny vokatra, misy ny ezaka ataon’ny mpiaramiombon’antoka ENELEC amin’ny fanamboarana sy fikojakojana ary fanafarana ireo fitaovana vaovao. Nanome toromarika kosa izy fa tokony hisy hatrany fandrindrana asa eo anivon’ny JIRAMA sy ny mpiaramiombon’antoka ENELEC ary ny fitalevana isam-paritry ny minisiteran’ny angovo satria eo amin’ny fitsinjarana no ahitana fahatapahana matetika. Manome 2 volana ireto tompon’andraikitra ireto ny minisitra amahana izany olana fahatapahana matetika izany.
Ny Alahady 12 marsa 2023 kosa dia hijery ny « Centrale Solaire » ao Mangily Ifaty.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *