
Voaresaka ihany koa ny fanatsarana ny fitantanana amin’ny ankapobeny eo anivon’ny orinasa JIRAMA. Ny firosoana amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo avaozina eto Madagasikara amin’ny alalan’ny tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro manerana ny Distrika maro, ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo Ambanivohitra, ny fanatsarana sy fanitarana ny tambazotra mitondra herinaratra sy ireo tetikasa hafa.