Fifanarahana iraisam-pirenena ho an’ny « solika maitso »
➡️ Ny 22 Jolay 2023, any Goa (Inde) no ho tontosaina ny fampahafantarana ofisialy ny Fiaraha-mientana Iraisam-pirenena ho an’ny solika maitso (biocarburants). Nahazo fanasana i Madagasikara hanao sonia ny Fifanarahana manambara ny fankatoavany hiditra ho mpikambana. Firenena maro no handrafitra azy, anisany amin’ireo Etazonia sy Brezila.
▶️ Nivoitra ireo androany Alakamisy 13 Jolay 2023 teto Ampandrianomby, nandritra ny fitsidihan’ ny Masoivoho Indiana, SEM Bandaru WILSONBABU, ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo, Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA. Nisy ihany koa ny dinika teo amin’ny roa tonta, momba ny sehatry ny angovo azo avaozina.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *