MEH- Fifamindram-pitantanana
Tontosa omaly 27 Martsa 2023 teto Ampandrianomby ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Sekretera jeneraly teo aloha Ramatoa RAZANAJATOVO Tianasoa Lauriane sy ny sekretera jeneraly vaovao Andriamatoa ANDRIANTSOA Thierry, teo ihany koa ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny tale misahana ny sampan-draharaha momba ny lalàna teo aloha, Andriamatoa ANDRIANASOLO Michel, sy ny tale misahana io sampan-draharaha io vaovao, Andriamatoa RASAMIMANANTSOA Olivier Rija , ary farany teo amin’ny talen’ny fampitambaovao teo aloha, Andriamatoa ANDRIANTSOA Thierry, sy ny tale vaovao, Andriamatoa RANDRIANIRINA Charles Mamityanah Erysed.
Ny mpiara miasa rehetra izay tarihin’Andriamatoa Minisitra Solo ANDRIAMANAMPISOA dia mirary soa azy ireo hahaleo, hahalasana amin’ny adidy vaovao hiantsorohana eto anivon’ny Minisiteran’ny angovo sy akoranafo ary ny Firenena.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *