Angovo azo avaozina :
Tohanan’ny SDG Fund ny FIER
▶️ Roso ny dia. Tontosa ny 13 Jona 2023 tetsy amin’ny Tranoben’ny Plan Anosy ny fivorian’ny Komity mpitantana ny tetikasa « Famatsiam-bola iombonana amin’ny angovo azo avaozina sy maharitra » (FIER). Mitentina 8.748.560 Dolara ny teti-bola avy amin’ny SDG Fund na ny Tahirim-bola Fanatrarana ny Fampandrosoana Lovainjafy, rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana, hanohanana ny tetikasa hatramin’ny 2026.
➡️ Natrehin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny sy ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ny fihaonana izay natao indrindra hanampiana ny Governemanta Malagasy amin’ireo tetikasam-pampandrosoana eo amin’ny sehatry ny angovo azo avaozina, amin’ny alalan’ny fanomezana tolo-tanana ara-teknika sy loharanom-bola fihariana.
⭐ Tanjona ny hisian’ny fihariana tsara tantana sy mari-toerana ary koa hampiroboroboana ny sehatra famokarana angovo eto Madagasikara.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *