Angovo azo havaozina
Fidinana ifotony teny amin’ny PK 0 Tsarasaotra
.
▶️ Nanatanteraka fidinana teny amin’ny toerana hametrahana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro eny amin’ny PK O Tsarasaotra ny tompon’andraikitra voakasika ny 23 Desambra 2024.
🟧 Anisan’ny tetikasa lehibe nampanantenain’ny Fitondram-panjakana ny hametrahana eny an-toerana, 🌞 tobim-pamokarana herinaratra lehibe azo avy amin’ny herin’ny masoandro, izay hanana tanjaka 50MW, hanampy ny famokarana herinaratra efa misy ato anatin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA).
➡️ Tafiditra tanteraka amin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana, amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina sy fampitomboana avo 2 heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara, ary ho fialana amin’ny fiankinan-doha amin’ny solika (HFO) eo amin’ny famokarana herinaratra, izay lafo loatra amin’ny kitapom-bolam-panjakana, no manimba ny tontolo iainana sy ny fahasalamana.
✴️ Araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Atoa Andry RAJOELINA, dia ho vitaina alohan’ ny volana Aogositra 2025 ity fotodrafitrasa lehibe ity.
✳️ Delegasiona maromaro no tonga teny an-toerana izay notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, sy ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-ponenana, Atoa ANDRIAMANOHISOA Gérard, ary ny Tale Jeneralin’ny Orinasa JIRAMA, Atoa Ron WEISS, izay hifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *