Tafiditra tanteraka amin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana, amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina sy fampitomboana avo 2 heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara, ary ho fialana amin’ny fiankinan-doha amin’ny solika (HFO) eo amin’ny famokarana herinaratra, izay lafo loatra amin’ny kitapom-bolam-panjakana, no manimba ny tontolo iainana sy ny fahasalamana.
Araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Atoa Andry RAJOELINA, dia ho vitaina alohan’ ny volana Aogositra 2025 ity fotodrafitrasa lehibe ity.
Delegasiona maromaro no tonga teny an-toerana izay notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, sy ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-ponenana, Atoa ANDRIAMANOHISOA Gérard, ary ny Tale Jeneralin’ny Orinasa JIRAMA, Atoa Ron WEISS, izay hifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.