MEH
Ny sabotsy 4 marsa 2023, nitohy teto Toamasina ny dian’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo amin’ny faritra Atsinanana. Ao anatin’ny fanatanterahina ny velirano faharoa ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina « hazavana ho an’ny daholobe » no tanjona.
Nanombohana ny asa fitsidihana ny fijerena ifotony ny fiarahamiasa eo amin’ny orinasam-panjakana JIRAMA sy ny orinasa ENELEC izay misahana ny fitsinjarana jiro eto Toamasina :
Efa mihatsara ny fitsinjarana herinaratra sy ny vokatra azo. Nanome toromarika ny orinasa JIRAMA kosa ny Minisitra ny hijerena akaiky ny fifanarahana amin’ireo mpiaramiombon’antoka. Mila manaja ny tolotra nifanarahana sy ny tokony hiomanana amin’ny fanitarana ny vokatra arakin’ny nifanarahana mba hifanaraka amin’ ny filana ara-herinaratra ilain’ny mpanjifa eto Toamasina izy ireo. 11 amin’ireo milina 13 nifanarahana no mbola miasa eo anivon’ny ENELEC noho izany dia mila mameno ny banga io orinasa io hifanaraka amin’ny fifanarahana natao. Ary tokony ho jerena avokoa ireo fifanarahana eo amin’ny orinasa JIRAMA sy ny mpiaramiambon’antoka aminy manerana ny Nosy, arakin’ny namafisin’ny Minisitra.
Taorian’izay fitsidihana izay dia nitety ireo elakelatrano sy lalam-pasika ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo ary ireo mpiaradia aminy :
– Fanamby napetraka ny hoe na misy na tsy misy ny andrinjiro dia tsy maintsy mazava ny elakelatrano ka amin’ny alalan’ny fifanarahana eo amin’ireo tokantrano vonona ny hifanaraka amin’ny JIRAMA, hametrahana jiro eny amin’ny rindrina na an-tokontany. Mihena 20 000ar isam-bolana ny vidin’ny jiron’ireo tokatrano vonona ny hifanaraka amin’ny JIRAMA hanatanterahana izany. Fokontany dimy: Analamboanio, Ankirihiry Avaratra, Tanambao V, Tanamakoa, Dépôt 4 no nanombohana ny tetik’asa « HAZAVAO NY ELAKELANTRANO » teto Toamasina.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *