Angovo sy Akoranafo
Fidinana ifotony tany Atsinanana
✴️ Nanatanteraka fidinana ifotony teto amin’ny Faritra Atsinanana ny Delegasiona izay notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo , Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier , ny 4 Aprily 2025. Ity Faritra ity dia anisan’ireo hisitraka ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro , izay hatsangana ao Toamasina  » SPAT AVENIR  » ary hanana tanjaka 5 MWc.
➡️ Nandritra ny fidinana ifotony dia nitsidika ny tobim-pamokarana herinaratra izay sahanin’ny JIRAMA ny Delegasiona ka nijery ny fivoaran’ny fahadiovan’ny rano mivoaka avy amin’ny orinasa JIRAMA , mankany amin’ny lakandranon’ny Pangalana.
▶️Ny tapak’andro hariva dia nirosoana ny fitsirihina ny sehatry ny akoranafo teto an-toerana ka nisy ny fitsidihana izay notontosaina teo anivon’ny « GALANA Raffinerie et Terminal » (GRT). Izany no natao dia ho fijerena akaiky ny solika any an-toerana sy ny asa fanavaozana tahiry 25000 m3. Misy ihany koa ny fanamboarana tahiry vaovao 1500 T ho an’ny entona fandrehitra (gaz butane) izay ataon’ny orinasa VITOGAZ.
🟩 Tsiahivina fa tobim-pahasalamana na CSB I sy CSB II, miisa 20 no misitraka herinaratra amin’ny alalan’ny tobim-pamokarana mandeha amin’ny herin’ny masoandro amin’ity Faritra ity, hatrany Soanierana Ivongo, Vavatenina, Maroantsetra ao anatin’ny tetikasa #LEAD.
✅️ Ankoatra ireo dia tonga nanome voninahitra ny fanolorana samboady ireo Ben’ny Tanàna miisa 34 voafidy teto amin’ny Faritra Analanjirofo, ny 5 Aprily 2025 ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo amin’ny maha Minisitra mpiahy azy ity Faritra ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *